Pr Rafolo Andrianaivoarivony : Firy marina ny foko eto Madagasikara

Resaka tsy dia misy mivohy, ary anisan’ny atahoran’ny maro ny firesahana ny atao hoe foko . Ao ihany koa ireo mbola mihevitra fa rehefa miresaka foko eto Madagasikara dia miisa 18 no isany, nefa diso io fanisana sy fiheverena io. Mbola eo koa ny fiheverena hoe mbola mbola mipetraka sa tsia ve izany resaka foko izany ? Hita amin’ ny fiainan’ireo mpianatra izay monina ao amin’ny Cité Universitaire izany mantsy. Hita taratra ireo fikambana samihafa mitondra ny anaran’ny faritra indrindra fa ny foko niaviny avy.

Toy ny fanaony isam-bolana dia manolotra valan-dresaka ny ao amin’ny Institut de Civilisation, Musée d’Art et d’Archéologie (ICMAA) etsy Isoraka. Ny zoma 8 Aprily lasa teo dia nisy ny velan-kevitra arahina adi-hevitra izay nitondra ny loha-hevitra hoe « Firy marina moa no atao hoe « foko » eto Madagasikara ? ». Niarahana tamin’ny Profesora Rafolo Andrianaivoharivony, Talen’ny Ecole Doctorale Sciences Humaines et Sociales (ALSH sy DEGS) izany. Nentina tamin’ny teny malagasy ny velan-kevitra ary nisokatra ho an’ny rehetra satria Madagasikara.

Foko, zavatra napetraky ireo eoropeana ary nofaritany toy izao : vondron’olona manana fomba amam-panao mitovy, samy manana ny fanaony ny Tavaratra tsy mitovy ny Tatsimo na ny Tandrefana na tsy Tatsinana. Tany am-piandohana dia « tribus » no nitondran’izy ireo azy ary teny niova teny am-pivoaran’ny fikarohana ho lasa « ethnie ». Nefa rehefa natao ny fandalinana sy fikarohana dia sady tsy « tribus » no tsy « ethnie » no atao hoe foko eto Madagasikara fa vondron’olona na « groupe de population Malgache ». Raha araky ny fahitan’ireo manam-pahaizana manokana ethnographe frantsay toy andry Grand Didier, dia nametraka izy ireo karazana 18 ireo izay novoizina tao anatin’ny fananjahan-tany, tao anatin’ny repoblika I sy faha II ary saika mbola hita taratra ihany koa tao anatin’ny repoblika faha III sy faha IV.

Na eo aza anefa izany rehetra izany dia tsy hapetraka hijerena ny fahasamihafana fa ny iraisana no zava-dehibe ny hoe « miara-monina » eto amin’ny Nosy iray. Voasahana ao anatin’izany ny toerana sy ny akora nentina niaina izay nanefy ny fomba amam-panao, ohatra ny fiainana anaty tontolo misy ny ravi-maitso sy ny ala no nijerena sy niantsoana an’ireo Tanala, toy izany ihany koa ny toe-tany izay tsy mety afa-tsy ny tsilo dia lasa hoe ry zareo ao amin’ny roy na ireo Antandroy. Ny any avaratra ny fisian’ireo vato natao hoe ankarana dia nantsoina hoe Antakarana, ao ny manamorina ny ony na ny onaona, ny bakizetra dia izay akaikin’ny rano no nantsoina hoe Sihanaka. Hita araka izany fa ilay toerana onenany sy ny akora hita eo amin’ilay toerana amin’ny fiainana andavanandro no lasa manefy ny maha izy azy na ilay atao hoe « identité de groupe » an’ilay vondron’olona. Raha raisina ny fandihan-n’ireo mpikaroka dia mbola tsy izy ihany koa satria raha tsy ilaza afatsy ny Zafimaniry, aiza ao anatin’ny « cartographe » na ilay sarin-tany no ijerena azy, miaraka amin’ny Betsileo sa Tanala. Iarahana mahafantatra anefa fa misy karazany ihany koa ny Betsileo, hita taratra eo amin’ny fiteny ny fahasamihafan’izy ireo.

Mety misy mampiavaka sy samihafa ny fomba fiteny fa rehefa soratana dia iray ihany. Ary eo ihany koa ny izay fahaizana miara-miaina izay, mifameno avokoa ny any avaratra, atsinana, andrefana ary atsimo, mivelona amin’ny Nosy iray. Ny fikojana sy ny fanamboarana ny lalana no sehatra iray hitahirizana ny fiombonana mba hahafan’ny mponina mifamezivezy sy mifandray.