Vision & Stratégie

"Penser globale, agir national", telle est la ligne conductrice qui portera toute la politique et les actions de l’Université.

Joindre

Formations & Métiers

L’employabilité de nos étudiants devient nos préoccupations. Les offres de formation sont accréditées aux besoins de la société.

Joindre

Recherche & Développement

Les Écoles Doctorales et les laboratoires encadrent des doctorants et de chercheurs aptes à la création d’emploi

Joindre

 
 

Feno 50 taona amin’ity taona 2022 ity ny hetsika tamin’ny 13 mey 1972. Mifanindry indrindra amin’ny faha-50 taona nahaterahan’ny Tarika Mahaleo koa ny taona 2022. Manakoako eran-tany ny lazan’ilay Tarika ary lasa ambasadaoron’ny Oniversiten’Antananarivo izy rehefa mampatsiahy ny hetsika 13 mey 1972. Famoronana hira sy mozika, sy sahanasa fampiharana ikoloana saina sy hanabeazana no ventesin’ireo zava-kanto novokarin’ny Tarika Mahaleo. Mendrika ny hotolorana ny Diplaoma Docteur Honoris Causa ary ireo mpikambana tsirairay amin’ny Tarika.

Mendrika ny mari-pahaizana ny Tarika Mahaleo

Ny Diplaoma Docteur Honoris Causa dia mari-pahaizana manokana omen’ny oniversite iray ho an’ny olona mendrika izany noho ny ezaka nataony mba ampahafantarana ilay oniversite amin’ny sehatra iray na maromaro. Efa olona ampolony mahery no nomena izany teto amin’ny Oniversiten’Antananarivo toy andry Joseph Stieglitz, Louis Michel, Steeve Goodman, Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina, ... Nanao soa ny Tarika Mahaleo ho an’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Firenena tamin’ny alalan’ny fampianarana avy amin’ireo tonon-kira. Efa nisalotra izany andraikitra izany efa hatramin’izay izy ireo. Hita taratra tamin’ny Tafa sy Dinika nifanaovana tao amin’ny Grand Amphi EGS tokoa fa misy anatra manokana ireo hira. Misy efatra izy ireo no mpamoron-kira.

Dama na Rasolofondraosolo Zafimahaleo, dia mpandinika ny fiaraha-monina, mpanoratra sy mpamorona feonkira, ary mpitendry zava-maneno toy ny kabosy, gitara, ary mpitsoka farara. Bekoto na Rabekoto Honoré Augustin dia mpanolo-tsaina sy mpandinika fiaraha-monina ambanivohitra, ary izy no an’isan’ny mpanoratra sy mpamorona feonkira, ary mpitendry gitara sy piano, ary mpitsoka sodina. Raosolosolofo Razafindranoa na i Roul kosa dia mpitsabo tao amin’ny sera-tsambon’I Toamasina, ary mpanoratra sy mpamorona feonkira, ary mpitendry gitara. Rakotobe Andrianabela na i Dadah koa dia mpitsabo mpandidy rafim-pitatitra tao amin’ny HJRA, ary fantatra amin’ny mpamoratra sy mpamoron-kira ary mpitendry gitara. Rakotobe Andrianabelina na i Nônô, dia mpitsabo mpandidy tao amin’ny HJRA, izay mpitendry ny gitara beso sy piano. Fafah na Rajaonarison Andriamihaingo Famantanantsoa, dia mpiasam-panjakana, ary marika ahafantarana ny Tarika Mahaleo noho ilay feo voalohany na faharoa tena manga sy maranitra ananany. Tsy araka matetika ireo gadon-kira raha tsy nisy an’I Charle na Andrianaivo Charle Bert izay mpitendry korintsana sy batterie. Mpandinika ny fiaraha-monina ralehilahy ary mpandrindra ankapobeany ireo seho karakarain’ny Tarika.

Fomba fiasa rehefa mamoron-kira

Tsy mijery fotsiny ireo mpikambana ireo fa mandinika, ary tsy mandre fotsiny fa mihaino ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina malagasy. Efa tafaraka tany Antsirabe sy teto Ambohitsaina ireo mpikambana ireo. Rehefa nisy ny rivotra nentin’ny 1972 dia nampiasa ny hira izy ireo mba ahafahana meneho hevitra, mifanaraka tamin’ny fironanana iraisam-pirenena momba ireo hira enti-manohitra toy ny andry Bob Dylan. Hita taratra tamin’ny Tafa sy Dinika nifanaovana tao amin’ny Grand Amphi EGS tokoa fa misy anatra manokana entin’ ireo hira. Niarahana tamin’ny Ivon-toeram-Pikarohana momba ny Serasera – CERCOM eto anivon’ny Oniversiten’Antananarivo ny famahavahana ireo sanganasa vitsivitsy. Nohararaotina hampirantiana ireo zava-nitranga teto amin’ny Firenena nanomboka ny 1956 ka hatramin’ny 1972 koa moa ity Tafa sy Dinika ity.

Nampirisika ny mpankafy hiantehitra amin’ny tontolo tsy hita maso any ambony ohatra ilay sanganasa noforonina sy nohirain’I Dama hoe “Aza Manadino Anay”. Mety diso hevitra momba ny maha-izy ny olona iray koa ny manodidina azy rehefa tsy mahafantatra ny zava-misy marina arak’ilay hiran’I Raoul hoe “Sao dia ataon’ialahy hoe”. Mpanakanto manokana no nasaina hiventy ireo hira roa ireo, izay tsy iza fa i Princio, izay nampihaingo ny hira tamin’ny fitsofana farara sy fitendrena gitara. Mbola mitohy hatrany hatramin’izao ny tolona satria mbola miaina ao anatin’ny tsy fahalalana I Madagasikara. Mampalahelo hoy I Dama fa lasa nozarina hamatam-bonona vokatry ny aterineto ny zaza malagasy ka tsy mahay mihafy sy miotra. Tsy fantatr’ireo zaza ireo izany hoe fiainana feno fihafiana lavitry ny ray aman-dreny izany, toy ilay asongadin’ilay sanganasa “Hay, Hay”. Mbola hita koa fa tsy tena mahay mampiasa ny fahafahana ananany ny Malagasy, vokatry ny fanagejan’ny tsy fahalalana, ka izany no antony hampatsiahivin’izy ireo ilay tena “Fahafahana” na “Ra-Fahafahana” amin’ilay hira misarika ny saina amin’ny safidy malalaka.

Mbola be ny asa miandry amin’ny 50 taona manaraka hoy ny Tarika Mahaleo. Tsy hoe akanga sisa nanamborana I Dama sy Bekoto arak any nambarany, fa mbola eo hanohy ny asa fampianarana. “Ianareo ve hijanona sa hiaraka aminay”, izany no teny filamatra vohizin’izy ireo amin’izao faha-50 taona izao. Nampanantena moa ny Tarika fa mbola hiseho an-tsehatra ety Ambohitsaina amin’ny fotoana metyao aoriana kely.

 

Bénéficiez du module
d'Orientation Scolaire et Professionnelle

Choisir une formation qui vous convient, c'est penser déjà à votre carrière envisagé. Notre module d'orientation vous expose un test d'orientation, une liste de 1100 métiers, et une liste de 250 formations

S'informer pour apprendre

Le personnel enseignant, administratif et technique est disponible pour vous offrir les meilleurs conseils d'orientation

Se spécialiser

Le savoir est offert par l'Université. Le savoir faire s'acquiert par l'expérience. Le savoir être dépend de votre personnalité.


Rechercher une formation


Rechercher un métier

Pas encore satisfait de nos exploits ?